Tongasoa eto amin'ny iBoky Malagasy

Fampahafantarana an'i Verenako Myriam Blériot

Verenako Myriam Blériot

VERENAKO Myriam Blériot, fantatra tamin’ny fanoratana ny boky BAREA tamin’ny taona 2019, boky ao anatin’ny sokajy angano, izay nosoratana nandritra ny fotoana nampafana ny resaka baolina kitra teto Madagasikara, fotoana izay nandraisan’ny ekipam-pirenena malagasy anjara tamin’ny fifaninana CAN 2019. Hatreto ny iBoky Malagasy dia tsy mbola manana fanampim-panazavana ahafahana milaza ny mahakasikasika an’i VERENAKO ankoatran’ny nanoratany ny boky BAREA.

Ireo iboky nosoratany

5 000 Ariary / 4 Euros

Ahoana no hatao raha hividy iboky ?

Voalohany, karohinao eto amin'ny tranonkala ny iboky tianao ho vidiana ary alohanao amin’ny alalan’ireo karatra fampiasa eny amin’ny banky na PAYPAL ny vidiny. Azo atao tsara ihany koa ny mampiasa ireo fandefasam-bola amin’ny alalan’ny finday toy ny MVOLA, ORANGE MONEY ary AIRTEL MONEY eto amin’ny iBoky. Rehefa vita izay, dia azonao raisina sy alaina ao anatin’ny kaontinao manokana eto amin’ny tranonkala iBoky Malagasy ny iboky novidianao.

Tora-pon'ny Mpanoratra

“Mba tena faniriako ny hamelona indray ao am-pon'ny Malagasy tsirairay ny fitiavana mamaky boky malagasy. Maro ireo sangan'asa fahiny sy ankehitriny no tena avo lenta ary tsy mena-mitaha. Ankasitrahana ny fisian'ny iBoky Malagasy hamelona indray izany fitiavana izany eo amin'ny Malagasy manerantany.“

- Tsaratiana -
2022-07-23 11:51:43

“Ny iBoky Malagasy dia sehatra iray afaka manampy ny mponina sy ny firenena malagasy amin'ny fampiroboroboana ny tenim-pirenena. Tombony lehibe ho azy ny fahafahany mampiseho amin'ny sehatra iray ireo karazam-boky malagasy maro misy. “

- Andrianitsiahy -
2022-07-23 07:32:31

Ohabolana sy Hainteny

Aza mandraraka ilo mby an-doha

Ny teny ilo dia avy amin’ny diloilo na menaka, izany hoe diloilo tonga eo amin’ny loha. Ny diloilo dia sokajiana ho toy ny zavatra tsara, zavatra...

Mitsikitsikia

“ Indray andro hono ……
Sendra tafaporitsaka tao anaty hady ity akoholahy anankiray nitady hanina. Indro tsy nampoizina nipoitra avy any anaty tsiloraketaka avy ny Rakary (sakadia) efa noana mafy tokoa...”